Psalms 54

Fangataham-pamonjena amin’ Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida,

1 2fony tonga ny Zifita ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida?

3Vonjeo amin’ ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao. 4Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin’ ny vavako. 5Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.] 6Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko. 7Hamaly ny ratsy ataon’ ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy. 8Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. 9Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin’ ny fahavaloko.
Copyright information for Mg1865